ActualitésTatitra

France : Efa mihoatra ny 100 000 ny lavon’ny coronavirus

Nanomboka ny Alakamisy 15 Avrily, mihoatra ny 100 000 ny maty tany Frantsa nanomboka tamin’ny nisian’ny aretina COVID-19. Efa anatin’ny andiany Fahatelo amin’ity aretina ity ny firenena amin’izao ary mikasa nyhanokatra indray ny sisin-taniny amin’ny tapakin’ny volana May izao. Tsy mitsaha-mitombo ihany koa ireo olona mararin’ny COVID-19 ao amin’ny efitra fameloman’aina izay mitotaly 5924. Iany isa izany dia efa saika hatratra ny isa ambony tahaka ireo firenena sasany any Europe toy i Grande-Bretagne izay ahitana 127000 olona maty, Italie 115000 maty. I France izay efa nanakantona ny fifandraisana an’habakabaka tamin’ny Bresil noho ny fahatahorana amin’ny Variant P1.

Laisser un commentaire