𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎𝐀𝐁𝐎 𝐒𝐔𝐃: 𝟏𝟎𝟎𝟎𝟎 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐡𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐫𝐚𝐧𝐨
Tafapetraka soa aman-tsara ao amin’ny Distrikan’ny Ankazoabo Sud, Faritra Atsimo Andrefana, ny rafitra famatsian-drano maro fampiasa na ny Système Multi-Usage (MUS) miisa 13 ao amin’ny Distrikan’ny Ankazoabo izay sitrahan’ny mponina miisa 𝟏𝟎𝟎𝟎𝟎.
Natolotry ny Filohan’ny Fanavaozana, Ny Kolonely 𝐑𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐈𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐌𝐢𝐜𝐡𝐚ë𝐥 sy ny Ramatoa vadiny, anio 18 Aprily 2026, tao Ankilimasy I sy II, ao amin’ny Kaominina Ankazoabo, ny MUS miisa, notronin’ny Filohan’Antenimierampirenena sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta vitsivitsy, isan’izany ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana 𝐃𝐫 𝐑𝐀𝐙𝐀𝐅𝐈𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐌𝐢𝐧𝐨𝐬𝐨𝐚 𝐀𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚𝐭𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐄𝐥𝐢𝐚.
Fotodrafitrasa maoderina sy maharitra no natsangana, izay ahitana forage misy paompy mandeha amin’ny herin’ny masoandro, sinibendrano 15 m³, tambazotran-drano mivelatra, kioska “Smart Tap”, ary rafitra fanondrahana ho an’ny fambolena.
Mponina maherin’ny 𝟏𝟕𝟎𝟎 no misitraka ireo fotodrafitrasa ireo. Tsy rano fisotro madio ihany no azo, fa sehatra iray manohana ny fiveloman’ny mponina ihany koa, amin’ny alalan’ny « potager » mirefy 500 m² izay manatsara ny sakafo sy mampitombo ny fidiram-bola. Marihana fa 168 ireo MUS izay apetraka ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, izay iarahana amin’ny tetikasa MIONJO, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena, ary niarahana nanatontosa tamin’ny Unicef Madagascar.
Ity tetikasa ity dia manaporofo fa ny fananganana fotodrafitrasa rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana dia mitondra fiovana mivaingana sy maharitra eo amin’ny fiainan’ny vahoaka.



