Sambo roa lehibe nitsidika an’i Diégo tao anatin’ny herinandro.
Sambo roa lehibe nitsidika an’i Diégo tao anatin’ny herinandro.
Sambo mpitondra mpizahantany roa lehibe no tonga nitsidika an’i Antsiranana (Diégo-Suarez) tao anatin’ny herinandro, araka ny vaovao navoakan’ny ORTDS.
Tonga voalohany tao amin’ny seranan-tsambon’i Diégo-Suarez ny sambo AIDA Stella, izay anisan’ny Pagbo mpizahantany lehibe.
Taorian’izay dia nisy sambo hafa koa nanohy ny diany ka tonga tao an-toerana, dia ny MS Hamburg ny sabotsy teo. Mitondra ny sainam-pirenen’i Bahamas izy ary avy any Seychelles, nitondra mpizahantany manodidina ny 317.
Manamafy hatrany ny fisokafan’i Diégo amin’ny sehatry ny fizahantany iraisam-pirenena izao fahatongavan’ireo sambo lehibe mpitondra mpizahantany izao.
