Etats Unis : Hiala any Afghanistan ny tafika amerikanina
Nanambara ny filoham-pirenena Joe Biden ny talata 13 aprily lasa teo fa hiala any Afaganistan ny tafika amerikanina ny 11 Septembra 2021. Natao hifanindry mihitsy amin’ny faha-20 taonan’ny fanafihana tany Etats-Unis tamin’ny 2001 mihitsy io daty io. Namoaka io fanambarana ion y filoham-pirenena amerikanina na eo azan y tahotra amin’ny mety fandresen’ny Tafika Taliban. Anton’io fialan’ny tafika any Afganistan io ny tsy fifanarahana teo amin’ny fitondrana teo aloha sy ny fitondrany ankehitriny izay tsy misy fifanarahana mazava loatra mahakasika ny tafika tany an-toerana. Hiala tsy misy fepetra na teritery any Afganistan amin’io fotoana io araka izany ny tafika amerikanina.
