ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Niroso tamin’ny fikojana ny lalana Antsofonondry ny kaominina

Manoloana ny fahasimban’ny lalana rari-vato mampitohy an’Antsofonondry sy Tsarasaotra, izay mampitaraina ireo mpampiasa lalana, dia niroso tamin’ny asa fikojana indray ny kaominina Sabotsy Namehana.

« Ao anatin’ny andraikitra izay mifanandrify amin’ny kaominina dia nirosoana ny asa fikojana ny lalana Antsofonondry mihazo an’i Tsarasaotra  » hoy ireo tomponandraikitra.

« Ny vahaolana mba tsy hampiberimberina ny fahasimban’ity lalana ity foana dia ny fanentanana ny mpampiasa lalana rehetra mba ahay hikojakoja ny zava-bita. Anisan’ny manimba fiara io lalana io rehefa simba ary mampijaly ny mpamily. Ankoatra izay ny fametrahana fitsipika sy sazy ho an’ireo minia manimba lalana sy tsy manaja ny fenitry ny vesatra eo amboniny » hoy i Todisoa, mpitondra fiara.

Ny fanaraha-maso sy ny fametrahana fitsipika dia anisan’ny zava-dehibe mba hampateza ity lalana ity. Matetika ny fiverenan’ny fahasimbana eto ary antony voalohany mahatonga izany ny fisian’ireo fiara amin’ny vesatra tsy tokony handeha aminy mampiasa ny lalana.

Laisser un commentaire