Sabotsy Namehana: Manao antso avo manoloana ny tsy fandriampahalemana ny mponina
Manao antso avo amin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ireo mponina ao amin’ny Soatsilefy, kaominina Sabotsy Namehana. Misy ireo olona manakorotana, amin’ny endrika fampihorohoroana, indrindra amin’ny hariva, araka ny voalaza.
“Manomboka amin’ny 6 ora hariva eo, misy olona tsy fantatra mitoraka tafon-trano sy vavahady amin’ny tapa-biriky ary tsy ankijanona. Mirohoroho izay mponina manodidina ka manaitra ny tomponandraikitra mba hijery ny zava-misy” hoy i Sarobidy, mponina ao Soatsilefy.
“Amin’ny vanim-potoana izao efa tsy mandry intsony ny tany ka tsara foana ny mailo satria iaraha-mahita ny tsy fandriam-pahalemana miseho amin’ny endriny samihafa. Tokony manao fitsirihana ifotony, indrindra ny fisafoana amin’ny alina ny mpitandro filaminana na manao andrimasompokolona ny fokonolona” hoy i Rogé, zokiolona.
Anisan’ny toerana maro vahiny monina ity faritra ity. Miandry ny hijeren’ny tomponandraikitra ny zava-misy araka izany ny mponina, indrindra ny fandraisana fepetra mifanaraka amin’izany.
