Mankasitraka ny ataon’ny zandary ny vahoakan’i Mandoto
Manana toerana lehibe amin’ny fitandroana ny filaminana ny zandary. Rehefa afa-po ny vahoaka amin’ny asa ataon’izy ireo dia mahay mankasitraka. Miseho amin’ny endrika hita maso ny fankasitrahana ataon’ny vahoaka ny asan’ny zandary ao anatin’ny Compagnie Mandoto tarihan’ny Kapiteny Irinjaka Rabemananjara. Fanomezana mitentina 17 360 000 Ar, miampy loko 24 boaty no nomen’olona tsara sitrapo izay fankasitrahana ny fandraisana andraikitra andavan’andron’ny zandarimaria ao Betafo. Noho ny fahatokisan’ny olona ny asan’ny Brigade Betafo tarihin’ny GPHC Ranaivosoa Evrard no loharano nahazoana izao fanomezana izao. Ny asa atao tsara sy vokatry ny fo no tena iandrasan’ny vahoaka amin’ny mpitandro filaminana. Entina hanatsarana ny biraon’ny Tobim-paritry ny zandarimaria Betafo ireo fanomezana ireo mba hampiova indray ny toeram-piasana sy fonenan’ireo zandary ary hampitombo ny faharisihana eo am-panatanterahana ny asany. Hanomboka tsy ho ela ny fanamboarana ary ny tompon’andraikitry ny fitantanana eo anivon’ny Vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria Vakinankaratra no hanaramaso ny fandaniana sy fanatontosàna ny asa. Mahafoy ny vahoaka rehefa tena hitan’izy ireo ny vokatry ny asa ary nahafa-po sy nandry tanaty filaminana tanteraka ny vahoaka. Samia manaja sy manao ny asany am-pitiavana mba hahalasa lavitra ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
