ActualitésTsidika

Manandriana : Mampiavaka ny kaominina ny kolontsaina sy ny tolo’omby

Kaominina iray mandrafitra ny Distrika Antananarivo Avaradrano, i Manandraina. Ny taona 2003 izy no lasa kaominina malaheleon-tena rehefa nisintaka tamin’ny Kaominina Sabotsy Namehana.

Manana mponina 12 500 isa eo ho eo i Manandrina izay miparitaka ao anatin’ny Fokontany miisa 6, mirefy 15,5 kilaometra tsy mivadimandry no velaran-tany ipetrahan’ity Kaominina ity, raha 15 Km monja, manaraka ny lalam-pirenena faha3 no lalana mankany. Ankoatry ny fandraharahana, fampianarana, dia Mpamboly sy mpiompy ny mponina ao aminy.

Ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Sabotsy Namehana no misahana ny fitandroana ny fahalemana ao an-toerana. Amin’ny ankapobeny, dia milamina ary tsy mbola nisy ny asan-dahalo tao an-toerana. Ireo hala-botry madinika kosa no mampikolay ny mponina, izay mateti-piseho.

Ara-tantara, dia nisy rian-drano be, (izay efa tsy hita intsony) tao Manandriana, ka rehefa handeha hankaty Sabotsy Namehana i Andrianampoina, dia nahita an’io rian-drano be io, izay tsy fahita firy ety amin’ny manodidina, dia vaky volana izy nilaza fa tena manana riana be ity tanana ity, ka dia raikitra hoe Manandriana mbarak’androany ity tanana manana ny toerany eto amin’ny Distrika Avadrano ity. Hita ao avokoa ny tambohon’ny taolo, izay natao tamin’ny atody, ireo hadivory marobe, ary mbola misy ny trano nentim-paharazana Malagasy maro mijoro eto, na dia eo aza ny trano maoderina ankehitriny.

Anisan’ny tena mampalaza an’i Manandriana ihany koa, dia ny Savik’omby isaky ny fankalazana ny faha 26 Jona. Izay tanterahina eto anivon’ny Kaominina, vory lanona avokoa ny vahoaka, tonga maro manotrona ny Zanak’ampielezana manatrika izany.

Laisser un commentaire