ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Tonga nanao fitsidihana tao amin’ny EPP Ikianja ireo mpanao asa soa vahiny

Tonga tao amin’ny EPP Ikianja, kaominina Ambohimangakely, ny herinandro teo, ireo vahiny, mpanao asa soa, niaraka tamin’ireo solo-tena avy amin’ny kaominina. Nijery ary hitondra fampitaovana ho an’ny sekoly izy ireo, araka ny voalaza.

« Nojerena niaraka tamin’ny talen’ ny sekoly nandritra ity fotoana ity, ny mahakasika ireo  fanampiana azo atao ka aoriana kely dia hiverina izy ireo hitondra fampitaovana sy fanampiana hoan’ny Sekoly » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina. 

« Raha tiana tokoa ny hampivoarana sy hampandrosoana ny sekoly ambaratonga fototra, dia ilaina dia ilaina ny fiaraha-miasa amin’ireo vahiny na fikambanana na mpanao asa soa hifanampy sy hifanome tanana ho fanohanana ny mpianatra. Tsy mahavita tena irery ny sekoly eto amintsika noho ny tsy fahampian’ireo fitaovana sy fampitaovana amin’ny fampianarana » hoy i Ravaka, mpilatsaka an-tsitrapo momba ny fampianarana ny ankizy eny amin’ny amabaratonga fototra.

Maro ny olana sedrain’ny sekoly eny amin’ny ambaratonga fototra. Anisan’izany ny fampitaovana ara-materialy toy ny boky, ny seza, latabatra, sns. Ankoatra izay, mila tolo-tanana koa ny sekoly. Anisan’ny manatsara sy mampandroso azy ireny ny fandraisana an-tanana azy.

Laisser un commentaire