SocialTatitra

Myanmar : Misy heloka vaovao hanenjehana an’i Aung San Su Ki

Nilaza ny mpisolovava an’i Aung San Su Ki, Min Min Soe fa voaheloka amin’ny heloka hafa hanenjehin’ny lalana indray ity mpitantana teo aloha ity. Raharaha enina araka izany no hanenjehina azy, ny dimy amin’ireo raharaha ireo no tao Naypydaw ary ny iray tao Rangoun. Ity mpitantana teo aloha ity izay efa nenjehina tamin’ny fananany fitaovana tsy ara-dalàna, teo ihany koa hoy ny mpisolovava ny fiampangana azy ho nandika ny lalàna momban’ny fintantanana ny loza voajanahary tao birmanie. Ampangaina ihany koa izy fa nanangona vola maherin’ny iray tapitr’iza dolara sy volamena 11 kilao, nefa mbola tsy voampanga ho nanao kolikoly. Lazaina fa meloka izy nefa ary voarara ihany koa amin’ny fiainana politika hoy hatrany ny mpisolovavany. Mbola notananana am-ponja amin’ny toerana tsy fantatra moa ity mpitantana ity hatramin’izao. Ary manenjika azy mafy ny fitondrana miaramila any an-toerana. Nilaza ity mpisolovavany ity fa manao ny fomba rehetra hiampangana an’i Aung San Su ny fitondrana nohon’ny tsy fitiavany azy. Eo ihany koa ny tahotra amin’ny mety hanakorotanana ny sain’ny vahoaka izay mbola tsy milamina hatramin’izao.75 taona izy izao mbola hahiditra am-ponja izao hatrany.

Laisser un commentaire