ActualitésTsidika

Alasora : Fandaharam-potoana amin’ny lalao famaranana « tournoi du maire-foot à 9 »

Miditra amin’ny lalao famaranana ny fifaninanana fiadinana ny amboaran’ny ben’ny tanàna eo amin’ny taranja baolina kitra, lalaovin’olona 9, ao amin’ny kaominina Alasora. Ny alahady izao no hanatanterahana izany, ao amin’ny kianja kaominaly Ambohidrazaka.

« Hanomboka amin’ny 12ora ny lalao amin’ny alahady izao. Hiakatra kianja voalohany ny sokajy vétéran, izay hifaninanan’ny ekipa avy ao Ambodivoanjo sy ny ekipan’ny Sud Ambohipo. Aorian’izay ny sokajy vehivavy, izay hifanandrinan’Ambohidrazaka sy Mahatsinjo » hoy ny avy amin’ireo mpikarakara.

« Hitohy amin’ny 02ora ny lalao, izay ho an’ny sokajy U18, hifaninanan’ny AFA SPORT sy ny ELITE. Mamarana azy avy eo ny sokajy senior, izay hihaonan’ny Sud Ambohipo 1 sy ny Sud Ambohipo 2 » hoy hatrany ny fanazavana.

Efa vonona tanteraka ireo mpilalao sy ny mpikarakara amin’ity fifaninana ity. Ireo mpanohana araka izany no handrasana ho tonga maro eny an-toerana.

Laisser un commentaire