Ambohimangakely: Efa tafapetraka ireo jiro nozaraina tao amin’ny fokontany Betsizaraina
Ny herinandro teo no nozaraina jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny fokontany Betsizaraina. Tsy niandry ela ireo tomponandraikitra sy ny vahoaka tao an-toerana fa nametraka izay avy hatrany, ny faran’ny herinandro teo ihany.
« Faly ireo mponina nametrahana ireo jiro mitondra hazavana. Anisan’ny tanàna tao anatin’ny haizina ny faritra Amberobe, ary nangina. Ankehitriny lasa maresaka ny tanàna » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Tanàna tsy mba tongan’ny hazavana ny tety aminay hatramin’izay. Tena faly tokoa amin’izao fotoana satria mitondra fiovana tanteraka eo amin’ny tanàna sy endriky ny tanàna izany. Mino fa hihena ihany koa ny asa ratsy vokatry ny fisian’ny hazavana izao” hoy I Ester, mponina ao Betsizaraina.
Ao anatin’ny fanamby napetraky ny kaominina ny hanampy sy hitsinjo ny vahoaka hatrany. Mila kolokoloina sy tandrovana amin’ny mpangalatra anefa izy ireny. Mila fiaraha-mientan’ny daholo be anefa izany.
