Ambohimangakely : Nisitraka jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ireo mponina
Mitohy ny fanomezana ny jiro (EP solaire) ataon’ny kaominina Ambohimangakely. Ny fiandohan’ny herinandro teo, fokontany telo indray no nizarana izany jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro izany, mba hanazava ny tanàna.
« Ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina, ny hametraka jiro isam-pokontany mba hanazava ny tanàna. Tamin’ity manaraka ity dia ny fokontany Ikianja, Ankosirano, Mahatsinjo no nisitraka izany. mbola hitohy amin’ny fokontany maro samihafa izany » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Tena ilaina ny hazavana. Iaraha-mahita ny tsy fandriam-pehalemana vokatry ny haizina amin’izao fotoana, manararaotra ireo mpanao ratsy ka hisaorana ny kaominina manolotra jiro. Mba hisy fiantraikany ka hanena izany ny fisian’ireo jiro ireo » hoy i Tojo, mponina ao Ambohimangakely.
Efa maro ireo faritra sy fokontany nametrahana ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, mba hanazavana ny tanàna ity. Ilaina anefa ny fikojana sy ny fanaraha-maso azy ireny mba tsy ho lasan’ny mpangalatra, ka mila fiaraha-mientan’ny rehetra.
