SocialTatitra

Libye : Vao manomboka manarina ny tanànan’i Derna, enim-bolana taorian’ny nandravan’ny tondra-drano azy

Enim-bolana teo izao no nisian’ilay tranga voajanahary izay nahadifitra tanteraka ny tanànan’i Derna, any avaratra atsinanan’i Livye. Ny 10 septambra 2023, nisy ny rivo-doza Daniel nandalo tany an-toerana ka nahatonga ny fahavakisan’ny toha-drano miisa roa tany an-toerana, ary niteraka tondra-drano lehibe izany. olona maherin’ny 4.300 no maty vokatr’izany loza voajanahary izany, ary maherin’ny 8.500 ireo tsy hita popoka ; ankoatra izay dia nanimba foto-drafitr’asa ary nifaoka zavatra maro ity tondra-drano ity, raha ny isa navoakan’ny Unicef sy ny banky iraisam-pirenena. Tamin’ny tatitra nivoaka tamin’ny volana Janoary, tombanana ho 1,57 lavitrisa euros ny fitambaran’ny fahavoazana vokatr’ity loza ity, raha toa ka efa voafafa tsy ho eo amin’ny sarintany ny faritra sasany ao an-toerana. Amin’izao fotoana izao, mbola mitohy ny fahitana ireo razana tavela sy voatsindry tany ambanin’ny vato. Miezaka manarina sy manadio ny faritra honenany kosa ireo sisa velona. Ny fiandohan’ny volana janoary teo, namoaka ny valin’ny fanadihadiana ny fitsarana tany an-toerana ary nilaza fa efa marefo ireo toha-drano roa, vaky ny alin’ny 10 sy 11 septambra ireo. Tsy fitandremana sy tsy fandraisana andraikitr’ireo manam-pahefana araka izany no fositra nahatonga ny loza, kanefa tokony ho azo nosorohana. Nanomboka tamin’ny herinandro teo ny fitsarana ireo tompon’andraikitra voakasika ao anatin’izany.

Laisser un commentaire