Comores : Nodimandry ny masoivohon’i Comores any France
Namoy ny ainy ny Alakamisy 08 Aprily lasa teo taorian’ny mitataovovonana ny solontenan’i Comores any Paris France, Mohamed Soulaimane. Efa nandray andraikitra maro teo amin’ny firenena Comores ny tenany satria efa Tale Jeneraly ny fiaraha-miasa teo anivon’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny izy. Ary voatendry ho Masoivohon’i Comores any Paris izy ny 2008 ka mbola voatendry fanindroany indray ny 2017. Isan’ireo tia tanindrazana sy reharehan’ny firenena mihitsy izy izao maty izao.
