Gaza : Tsy mbola mitsahatra ny ady na manomboka aza ny ramadan
Tsy nisy ny fampitsaharana ny ady, na dia nanomboka aza ny fankalazana ny ramadan, eo amin’ny Israely sy Hamas, amin’izao fotoana. Nanao fanambarana, tao amin’ny kaontiny X, ny sekretera jeneralin’ny firenena mikambana, Antonio Guterres, izay hafatra manokana momba ny firaisan-kina sy ny fanohanana ireo rehetra hianjadian’ny ady sy mijaly noho ny horohoro ao Gaza amin’izao fotoan-tsarotra izao. Ny herin’ny ramadan ho fanilo sy fanantenana indray ary hampatsiahivana ny mahaolombelona. Na dia teo aza ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra nataon’ireo firenena mpanelanelana, Etats-unis, Qatar ary Egypte, ny fiandohan’ny volana martsa teo, dia tsy nahasakana ny ady teo Israely sy Hamas izany. Mbola hitohy hatrany anefa ny fandresen-dahatra ara-diplomatika, mba hisian’ny fampitsaharana ny ady ao an-toerana.
