Cote d’Ivoire : Efa misy ny ivon-toerana mandray ireo vehivavy niharan’ny herisetra
Efa misy ny ivon-toerana mandray ireo vehivavy niharany na hianjadian’ny herisetra ao Abdijan. Tapetraka ao an-toerana ny fikambanana « ONG Akwaba Mousso » na « fikambanana vehivavy tongasoa », izay notokanana ny volana aprily 2023. Ity ivon-toerana ity no mandray an-tanana sy mampian-trano ireo vehivavy niharan’ny herisetra any an-tokatrano. Ny volana may ka hatramin’ny desambra teo, vehivavy miisa 132 no noraisin’ny fikambanana an-tanana ka ny 25 tamin’izy ireo no nisitrka fiantranoana tao an-toerana ary maimaim-poana avokoa ny fikarakarana rehetra. Raha ny ao côte d’Ivoire, mbola maro ireo vehivavy hianjadian’ny herisetra isan’andro. Miseho avokoa na ny herisetra ara-tsaina, na ara-batana na fanolanana, ary misy amin’ireo iharan’izany no mbola tsy ampy taona ; kanefa ny 30% amin’ireo vehivavy ihany no sahy mitoroka sy manantona ireo sampana miaro ny zon’ny vehivavy.
