ConseilTsidika

Torohevitra : Fomba atao hanalana mony

Singa iray tsy maintsy misy amin’ny tavan’ny olona ny mony. Maro ny antony mety hampisy mony ary matetika dia mandratsy jerena azy anefa izany ka somary manorisory. Misy fotoana ihany kaoa nefa maharary ka izay ilay tena manorisory aminy. Maro ny fomba afaka hatao hanalana azy ireny amin’ny tarehy fa ilaina fitandremana kosa anefa.

Matetika ny mony dia eny amin’ny tarehy no tena hisehoanay fa mety any amin’ny toerana hafa ihany koa anefa. Ilay izy eo amin’ny tarehy no hanolorana torohevitra anio. Malefaka ny hoditry ny tarehy ka tsara kokoa raha akora natoraly no hampiasaina mba tsy hanimba azy. Misy fomba tsotra ity hanalana mony na io vao mitsiry vao haingana na efa ela be, mony mivonto ivelany na any anatiny. Alaina ny ranomboasary makirana iray dia hafangaro amin’ny rano 1.5 litatra ary io no sotroina mandritra ny andro. Marihina fa tsy azo hatao mandritra ny alina izany. Ny voasary makirana izay manana singa manamaina ny fery sy manala ny fanaintainana any anaty any. Azo hatao ihany koa ny manafangaro ranona voasary makirana iray sy tapotsin’atody ary io no ahosotra amin’ilay faritra misy mony.

Ny voasary makirana izay mananakarena singa maro mitondra vokatra ho an’ny hoditra raha tsy hioteny fotsiny ny fanalany fanaintainana. Ireo torohevitra ireo izay tsara kokoa raha hatao mandritra ny 15 andro ka hatramin’ny 20 andro na dia efa mety ahitana vokatra ao anatin’ny 3 andro monja aza. Amin’izao andro mafana izao dia tokony tsy hadinoina ny misotro rano betsaka hatrany satria anisan’ny mampihena ny mony ihany izany sady antoky ny fahasalamana ihany koa. Mazotoa mampihatra ary.

Laisser un commentaire