SocialTatitra

Maurice : Tera-tany Thaïlandaise iray nahatratrarana héroïne milanja 2,3kg tao anaty valiziny

Vehivavy iray, teratany Thaïlandaise, 28 taona, no voasambotra tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena SSR, ny alatsinainy teo, rehefa avy niala tao amin’ny sidina MK241. Nahitana héroïne milanja 2,3 kg tao anaty valizin’ity vehivavy ity rehefa nosavain’ny tomponandraikitry ny ladoany Maorisianina. Nentina natao fanadihadiana avy hatrany ity vehivavy ity, ary notanana am-ponja vonjimaika taorian’ny famotorana azy. Ao anatin’izany hatrany ireo mpitandro filaminana Maorisianina dia mitady ny mety ho mpiray ombon’antoka sy ny mpiara-miasa tamin’ity vehivavy ity. Ny nosy Maurice dia anisan’ny mandràra ary miady mafy amin’ny fanondranana ity zava-mahadomelina mahery ity efa hatramin’ny taona maro.

Laisser un commentaire