Manandriana : Nisy ny fambolen-kazo nataon’ny fikambanana avy amin’ny antoko MMM
Tonga tao aminn’ny kaominina Manandriana, tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fikambanana avy amin’ny antoko Malagasy Miara-Miangina, nanatanteraka ny fambolen-kazo, ho an’ity taona 2024 ity. Nisy ihany koa ny fanaraha-maso ireo hazo efa novolena tany aloha, araka ny voalaza.
« Tamin’ny taona 2019 ny fikambanana dia efa namboly hazo tety Manandriana. Ho an’ny anio dia tsy fambolen-kazo fotsiny no natao tety an-toerana, fa nisy ihany koa ny fitsidihana sy ny fikarakarana ireo hazo efa nambolena tamin’izany fotoana » hoy ireo avy amin’ny fikambanana.
« Adidy amin’ny tanindrazana ny fambolen-kazo. Tsy tokony hikely soroka araka izany ny tsirairay amin’ny fanatanterahana izany satria io antoky ny ho avin’ny taranaka manoloana ny fahasimban’ny tontolo iainana amin’izao fotoana » hoy i Tantely, tanora mpilatsaka an-tsitrapo.
Mbola ao anatin’ny fotoana fambolen-kazo moa isika amin’izao fotoanan’ny fahavaratra izao. Mbola azo atao tsara ny manatanteraka izany. Zava-dehibe anefa ny fanaraha-maso sy ny fikolokoloana ireo hazo natsatoka ireny mba tsy ho very momoka ireo ezaka natao.
