Anosy Avaratra : Hisy ny tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana
Hisy ny tolotra ara-pahasamana maimaim-poana, atolotry ny kaominina Anosy Avaratra, manomboka rahampitso alarobia. Aharitra telo andro ity hetsika ity, ka eny amin’ny hopitaly Anosy Avaratra no hanatanterahana izany, araka ny voalaza.
« Maro ireo tolotra ho hita mandritra ity hetsika ity. Tahaka ny mahazatra izay fanaon’ny kaominina hatramin’izay, izay hiaraha-miasa amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, dia misy ny fizahana marary na ho an’ny ankizy na olon-dehibe, misy ihany koa ny fanalana nify, fitiliana diabeta, fitiliana ireo areti-mifindra toa ny VIH/SIDA, ny fanomezan-drà, ny fitarafana na echographie, ny fanabeazan’aina ary ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
« Anisan’ny hetsika handrasan’ny mponina ary tena ilaina ny tahaka izao. Efa maro ireo trangan’aretina miseho kanefa tsy sahy manantona tobi-pahsalamana intsony ny olona noho ny antony maro, anisan’izany ny tahotra sy ny tsy fananam-bola ka tahaka izao no fotoana tokony hanararaotan’ny rehetra mitsabo sy manao fizaham-pahasalamana » hoy i Sedera, mpitsabo.
Ny fahasalamana no voalohan-karena. Manana zo fototra ho salama ihany koa ny olombelona tsirairay. Ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka moa dia anisan’ny manome sehatra ny hetsika ara-pahasalamana maimaim-poana toy izao, ahafahan’ny rehetra misitraka izany.
