SocialTatitra

France : Nanao fihetsiketsehana ihany koa ireo mpamokatra ronono

Fotoana vitsy taorinan’ny fitokonana nataon’ireo mpamboly, saika nanerana ny firenena maro tao Europa, dia nidina an-dalam-be nanao fihetsiketsehana manoloana ny Antenimieram-pirenena, any Paris, France ihany koa ireo mpamokatra ronona any an-toerana. Mangataka ny fanatsarana ny tambin-karama ihany koa izy ireo, raha toa ka efa miandry ny valin’ny fangatahan’izy ireo ihany koa ny sendikan’ny mpamboly sy ny fikambanan’ny mpamboly any an-toerana. Tahaka ny fitakiana nataon’ireto farany, mibahana ny arabe, mitondra sora-baventy sy ireo fiara lehibe fitondra mamboly izy ireo. Tsy hitsahatra moa izany fitakiana izany, raha tsy misy ny fandraisana fepetra avy amin’ireo tomponandraikitra.

Laisser un commentaire