ActualitésTsidika

Alasora : Nisy ny fanentanana momba ny fisorohana ny aretina choléra teny amin’ireo mpianatra

Manoloana ny fisian’ny tranga mampiahiahy amin’ny valan’aretina choléra amin’izao fotoana dia nanatanetraka fanentanana teny amin’ireo mpianatra, tao amin’ny CEG Alasora, ireo tomponandraikitry ny fahasalamana ao an-toerana, ny alatsinainy teo.

« Zava-dehibe ny fahafantaran’ireo mpianatra ny mahakasika ity trangan’aretina ity sy ny fomba fisorohana izany. Manana andraikitra ny mpitsabo amin’ny fanabeazana ny ankizy ka izany indrindra no nahatonga izao fanentanana ety anivon’ny sekoly izao. Ankoatra ireo tsara ho fantatra mahakasika ny fivalanana, dia nentanina ihany koa ireo mpianatra momba ny fisorohana ny lagaly sy ny areti-maso (conjontive)» hoy ireo tomponandraikitra mpitsabo. 

« Anisan’ny manampy ny fanabeazana ny ankizy, ao anatin’ny fikojana ny fahasalamana ny hetsika tahaka izao. Mety tsy ho vitan’ny sekoly sy ny ray aman-dreny ny hanentana sy hampahafantatra ny mpianatra ireo torohevitra sy torohay ara-pahasalamana, fa ny fiaraha-misalahy sy fandraisana andraikitra tahaka izao dia mandray anjara lehibe amin’ny famolavolana ny ankizy mba ho olom-banona sy tomponandraikitra amin’ny tenany » hoy ireo avy amin’ny sekoly.

Manana anjara lehibe amin’ny fanabeazana sy fikoloana ho olom-banona ny ankizy ny olona tsirairay sy ireo rafitra misy eo amin’ny fiaraha-monina. Tsy vitan’olo-tokana ny fanabeazana , noho izany mila mandray andraikitra ny tsirairay na aiza na inona sehatra misy azy.

Laisser un commentaire