ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Niverina nanomboka omaly ny tsenan’Alakamisy

Niverina nanomboka omaly ny tsena isaky ny alakamisy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Ambohipihaonan’ireo mponina avy amin’ny fokontany maro mandrafitra ny kaominina sy ny manodidina izany, raha ny voalaza.

« Anisan’ny nampiavaka ny kaominina hatramin’izany ny fisian’ny tsena isaky ny alakamisy. Ankehitriny naverina izy ary natao hanomezana sehatra ireo tantsaha, mpamboly sy mpivarotra manerana ny kaominina » hoy ireo tomponandraikitra.

« Tena ilaina ny tsena. Manana ny tantarany ny tsena ary mifono soatoavina lehibe eo amin’ny mahamalagasy. Hisaorana ireo tomponandraikitra namerina izany indray ary hirariana hilamina sy hanatsara ny firaisan-kina fa tsy sanatria hitondra korontana izany » hoy i Zoé, mponina ao Ambohimangakely.

Efa hatramin’ny vanim-potoanan’ny fahampanjaka no nisy ny tsena. Ao no fihaonana sy fanakalozana amin’ireo mpihavy avy amin’ny faritra samihafa. Nanana anjara toerana lehibe izany teo amin’ny fiaraha-monina malagasy. Anisan’izany, manome sehatra ny tantsaha, mampiroborobo ny vokatra fa indrindra manome lanja ny fifandraisana.

Laisser un commentaire