Etats-Unis : Namaly an’i Houthis tamin’ny alalan’ny fandefasana balafomanga indray
Nanao fanambarana ireo avy amin’ny tafika Amerikanina fa nanao fanafihana an’habakabaka, ho valin’ny fanafihana, tamin’ny alalan’ny fandefasana balafomanga miisa dimy, nataon’i Yémen, ny alahady teo. Setrin’ny fanafihana nataon’ireo mpihoko Houthistes, izay tohanan’i Iran, nandritra ny fanafihana nataon’izy ireo tao amin’ny ranomasina mena hatrany izany. Ity moa ny fanafihana fahatelo nataon’i Washington sy Londres.
