Etats-Unis : Nosamborina nandritra ny lanonana Grammy Awards i Killer Mike
Nosamborin’ny polisy, nandritra ny fanomezana ny loka ho an’ireo mpanakanto, nandritra ny lanonana Grammy awards, izay notontosaina tamin’ny alahady 4 febroary teo, ilay mpanao rap malaza Killer Mike. Araka ny nambaran’ny mpitondra teny avy amin’ny polisy tany an-toerana, dia vokatry ny fanakorotanana mialohan’ny fanombohan’ny lanonana no nisamborana azy, notazomina izy ary nivoaka fotoana fohy taorian’izay ary hiakatra eo anoloan’ny tribonaly, any Los Angeles ny 29 febroary.
Marihina fa anisan’ny nahazo ny loka nandritra ny lanona ny tenany. Miisa telo ireo amboara azony ary izy no anisan’ny mandrika teo amin’ny sokajy mpanao rap, tao anatin’ny sokajy « meilleur album rap » tamin’ny sangan’asany « Michael ».
