ActualitésTsidika

Torohevitra: Manala tasy sy manadio tarehy ny vahona

Anisan’ny torohevitra efa nentina teto hatrany ny fomba fampiasana sy ny tombotsoa azo avy amin’ny fampiasana ny vahona. Ity vokatra iray ity izay tena manan-danja tokoa ary mahasoa na eo amin’ny fahasalama na eo amin’ny fikolokoloana ny endrika amam-bika. Noho izy izay akora, tena manan-karena vitamina, hita ao aminy avokoa ny vitamina A,B,C ary ny E, ahitana singa mineraly isan-karazany ihany koa izy, izany dia saika mandamina sy mandrindra ny fahasalamana ary manome aina vao ny endrika sy ny vatana.

Ho an’ny fikolokoloana ny endrika, ny vahona dia anisan’ny akora manadio ary manala ireo tasy isan-karazany amin’ny tarehy, na ny mony na ny panda sy ny maro hafa. Mamelombelona ny hodi-tava izy ary manome aina indray ny tava ho lasa mandina sy hadio. Hosorana vahona indray mandeha isan’andro ny tarehy, lomana mandritra ny 15 minitra eo no eo dia kobanina amin’ny rano matimaty avy eo.

Ankoatra izay, manala ireo loto sy menaka miandrona amin’ny tarehy ihany koa izy, izay no tena mahazava-dehibe azy ary mety amin’ny karazan-koditra rehetra. Mety ihany koa izy hitsaboana ireo faritra main’ny masoandro. Hosorana ilay ditim-bahona iny ny faritra main’ny masoandro, hisinda vetivety ny hararin’izany ary hiavao tsikelikely ireo hoditra may teo.

Mbola maro dia maro ireo torohevitra azo resahana mahakasika ny vahona. Saika ahitana tambotsoa avokoa ny fampiasana azy na hitsaboana na hikarakarana ireo faritra amin’ny vatana.

Laisser un commentaire