ActualitésTsidika

Alasora : Maimaim-poana ny fakana fanamarinam-pahaterahana ho an’ny mpianatra hanala fanadinana

Mandritra ity taom-pianarana  2023-2024 ity, dia maimaim-poana ny fakana ny fanamarinam-pahaterahana na ny « bulletin de naissance » ao amin’ny kaominina Alasora. Natao ho fitsinjovana ireo mpianatra hanala ny fanadinana sy monina ao Alasora izany, araka ny voalaza.

« tsy andoavam-bola ny fakana bulletin de naissance ho an’ireo mpianatra hanala fanadinana,misy anefa ny fepetra sy fandaminana tsy maintsy arahana amin’izany. Ho an’ireo mpianatra ato anatin’ny ZAP Alasora dia any amin’ny sekoly ianaranareo no hanaterana ny fangatahana, ary ny sekoly no mampita izany aty amin’ny kaominina ka ny zavatra ilaina dia kopia lava, na bokim-pianakaviana, na bulletin de naissance tranainy » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« Ho an’ireo mpianatra mipetraka eto Alasora nefa mianatra ivelan’ny kaominina kosa dia aterina mivantana eny amin’ny kaominina izany. Ny zavatra ilaina dia kopia lava, na bokim-pianakaviana, na bulletin de naissance tranainy, miampy fanamarinam-ponenana » hoy hatrany ny fanazavana.

Zava-dehibe tokoa ny tolotra tahaka izao. Anisan’ny manampy ireo ray aman-dreny sy ny mpianatra ary manala ny fahasahiranan’izy ireo amin’ny fanomanana ireo anton-taratasy isan-karazany amin’ny fanomanana ny fanadinam-panjakana.

Laisser un commentaire