Anjeva : Mitohy ny hetsika ben’ny tanàna mitety vohitra
Mitohy hatrany ny fandehanana an-tsehatra ataon’ny ben’ny tanàna miadidy ny kaominina Anjeva. Tao amin’ny fokontany Faliary indray no nanatanterahana ny hetsika ben’ny tanàna mitety vohitra, ny faran’ny herinandro teo.
« tahaka ireo hetsika efa fanao mahazatra dia notohizana teto amin’ny fokontany Faliary ny fidinana ifotony, teny amin’ireo mponina. Nandritra izany no nifanankalo hevitra tamin’ny mponina tao an-toerana, nijerana ireo lesoka sy asa miandry. Nizara ihany koa ny fanomezana taom-baovao ho an’ny ankizy madinika » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
« Nandritra izany ihany koa dia notolorana fanomezana baolina ireo tanora mpilalao baolina kitra ao amin’ny fokontany. Ankoatra izay dia nojerena ireo foto-drafitr’asa napetraka toy ny birao-pokontany, jiro lampadaire, tetezana, lava-drano ary ny maro hafa » hoy hatrany ny fanazavana.
Mandritra ny firotsahana eny ifotony tahaka izao tokoa no ahitana ireo asa fampandrosoana ilain’ny mponina. Anisan’ny mbola asa goavana miandry ny fokontany Faliary moa ny fanamboarana ny lalana mihazo ny tanàna, raha ny voalaza hatrany.
