Lacoste : Milaza inona tokoa ilay voay amin’ny sary famantarana ny marika?
Isany marika ankafizin’ny tanora malagasy, indray ireo « voay » sy « voayelle » amin’izao fotoana ny Lacoste. Marihana nefa fa tsy misy hifandraisany velively amin’ireo tenin-jatovo ireo ny sarim-boay amin’ny sary famantarana ny marika Lacoste.
Orinasa frantsay ny Lacoste izay misahana manokana ny famokarana akanjo ho an’ny vehivavy sy ny lehilahy. Amin’izao fotoana dia mamokatra kiraro, kojakoja ary ranomanitra ihany koa izy ireo. I André Gillier sy René Lacoste no nanangana ny orinasa tany amin’ny taona 1933, taorian’ny fisotroan’i René Lacoste teo amin’ny taranja Tennis. Nanomboka ny volana novambra 2012 kosa dia novidian’ny vondrona Maus Frères Holding ny orinasa.
Ny niavian’ny sary famantarana ny marika kosa dia loka nataon’i René Lacoste sy ny mpanazatra azy tamin’ny Coupe Davis. Rehefa tao Boston dia nitsiriritra valizy vita tamin’ny hoditra voay i René Lacoste ka nilaza taminy ny mpanazatra azy fa raha maharesy izy amin’ny lalao ataony dia ho ataony fanomezana ho an’i René ilay valizy. Resy nefa izy saingy tany am-poto-tsofina mpanao gazety ny tantara ka nanoratra lahatsoratra izy ireo fa efa niady toy ny voay (alligator) i René Lacoste nandritra ny lalao. Namaritra ny filalaony tsara io anaram-bositra io raha ny fanazavana ary lasa anaram-bositra raikitra ho azy. Ny taona 1929 kosa izy no nanao « T-shirt » nisy sarina voay voalohany.
