Alasora: Mitohy ny fanentanana ny mponina amin’ny tokony hanajana ny lalana sy fifamoivoizana
Mitohy hatrany ny fanentanana ataon’ny tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina Alasora, mahakasika ny fanajana ny lalana sy ny fifamoivoizana ao an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny fifampitaizana amin’ny asa fanitaran-dalana izany, araka ny voalaza.
“Mbola mitohy hatrany ny asa fanitaran-dalana ataon’ny kaominina. Mandritra izany, tokony samy ahatsapa ny tsirairay fa tsy natao ho parking ny lalana nitarina. Tokony samy mandray ny andrakiny tandrify azy ny tsirairay ho fisorohana ny famaizana izay apetraky ny kaominina ho an’ireo mpandika lalàna” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
“Tena tery raha ny lalana eto Alasora no jerena. Hisaorana anefa ny tomponandraikitra tsy mitsahatra ny mikaroka vahaolana ho fandaminana ny tanàna. Ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay no tena zava-dehibe satria ny lalana iombonana, ary tsy tokony hiandry sazy foana vao hanara-dalàna” hoy i Zo, mpitondra taxi.
Anisan’ny mampitaraina ireo mpampiasa ny lalana ny fisian’ireo fiarana miantsona (parking) amin’ny arabe; eo ihany koa ireo fiara tsy manaja ny toerana fiantsonanana. Miteraka olana lehibe eo amin’ny fifamoivoizana anefa izany, indrindra mety ampidi-doza raha tsy ampy ny fitandremana.
