Ambohimanambola : Tafapetaraka ny borne fontaine miisa roa tao amin’ny fokontany Ambohimanambola
Notanterahan’ny kaominina Ambohimanambola, mialohan’ny nifaran’ny taona 2023 teo ny fampisitrahana rano fisotro madio ho an’ny mponina ao amin’ny vohitra Mahatsara, fokontany Ambohibato. Borne fontaine miisa roa no napetrak’izy ireo nandritra izany, araka ny voalaza.
“Na dia nifarana ny faran’ny taona teo aza ny fitantanana vonjimaika nataon’ny kaominina Ambohimanambola mahakasika ny fampisitrahana rano fisotro madio ho an’ny fotodrafitrasa Ampahimanga sy ambohipeno dia tsy mijanonona manarina sy manatsara ny zava-misy araky ny eo am-pelatanana ny tomponandraikitra” hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Borne fontaine roa no naverina ho an’ny vohitra Mahatsara tamin’iny herinandro iny. Ankoatra izany, nirosoana ihany koa ny fampandehanana ny toerana fanasana lamba ho an’ny fokontany Ambohibato » hoy hatrany ny fanazavana.
Zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana eny ifotony ny fametrahana sy ny fanatsarana foto-drafitr’asa tahaka izao. Ilaina anefa ny fanentanana ny mponina mba ho fikoloana sy fikojana izany.
