ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nahazo fampitaovana avy amin’ny INDDL

Nisitraka fampiataovana avy amin’ny ivon-toerana nasionaly mahakasika ny fitsinjiram-pahefana sy ny fampandrosoana ifotony (INDDL) ny kaominina Ankadikely Ilafy. Ny alatsinainy teo no tonga tao amin’ny kaominina, nanolotra izany ireo tomponandraikitra.

“Ireto fitaovana ireo moa dia entina manafaingana sy manatsara ny fomba fiasa sy ny tolotra ho an’ny vahoaka eto amin’ny kaominina. Fampitaovana avy amin’ny INDDL amin’ny alalan’ny tetikasa GUGA ary ho famaliana ny filàn’ny kaominina araka ny voarakitra ao anatin’ny Drafitra Fanamafisana Fahaiza-manao na ny « Plan de renforcement des capacités » izany” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

“Ireo fitaovana ireo dia ahitana « Ordinateur de bureau complet » miisa 08, « Imprimantes » miisa 04, « Onduleurs » miisa 08 sy Vidéo projecteur 01 ary Appareil photo numérique 01. Hisaorana feno araka izany izy ireo tamin’ny tantsoroka sy ny fampitaovana ary ny fampiofanana teto anivon’ny kaominina » hoy ny avy amin’ny kaominina.

Manao ezaka hatrany ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy amin’ny fampandrosoana sy ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra samy hafa. Taratr’izany ny fahaiza-mandamina sy fametrahana ny filàn’ny kaominina ka nahafahan’izy ireo nisitraka izao fampitaovana izao.

Laisser un commentaire