Ankadikely Ilafy : Mila mitandrina amin’ireo toerana ahiana hisy fihotsahan-tany ny mponina
Ao anatin’ny vanim-potoana fahavaratra tanteraka ny eto amintsika amin’izao fotoana. na izany aza anefa, mbola mibahana ihany koa ny hafanana sy ny main-tany. Ao anatin’izany indrindra, nitondra fanentanana amin’ny tokony hitandreman’ny rehetra amin’ny fihotsahan-tany, ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.
“Ao anatin’izao vanim-potoanan’ny orana izao dia aoka ny rehetra samy ho mailo sy hitandrina hatrany amin’ny mety firodanana na fihotsahana amin’ny toerana samihafa. Aoka ny rehetra ifampilaza amin’ireo tranga hahiana mety hitera-doza ary hampandre ny tomponadraikitra haingana mba hahafahana mandray fanampahan-kevitra » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Maro ny loza mety hiseho vokatry ny fivadibadihan’ny toetr’andro izao. Mila mailo sy mitandrina ny rehetra. Ny tomponandraikitra ihany koa dia tokony handray fepetra mahakasika ireo faritra atahorana hitera-doza, ho fitandrovana ny ain’ny rehetra » hoy i Onitriniaina, mpirotsaka an-tsitrapo amin’ny vonjy aina.
Ilaina ny fampatsiahivana sy fampafantarana ny mponina tahaka izao. Maro tokoa no varindriana noho ny fahasahiranana isan-karazany ka tsy mahatsiaro izay mety fitandremana amin’ny loza samihafa.
