Ambohimangakely: Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray teny Ambohitrombiavana
Fiara iray indray no nivadika teny amin’ny faritry ny fiolanana jovena double, eny Ambohitrombihavana, kaominina Ambohimangakely, ny alatsinainy maraina teo. maro ireo lozam-pifamoivoizana niseho tato ho ato ka ilaina fitandremana.
“Maro ireo lozam-piarakodia niseho nanomboka ny volana jona teo raha teto amin’ny faritry ny kaominina Ambohimangakely no jerena. Mila mandray fepetra ireo tomponadraikitra tandrify izany, indrindra amin’izao fotoana akaiky fety izao satria mety hampitombo ny loza miseho raha tsy misy ny fandraisana fepetra” hoy i Dina, mpitondra fiara.
“Anisan’ny tena mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ny tsy fanajana ny hafainganam-pandeha, eo amin’ireo mpitondra tongo-droa na ireo mpitondra fiara. Eo ihany koa ny tsy fahafehezana ny familiana ary ny fahamamoana eo am-pitondrana fiara. Andraikitry ny mpitandro filaminana no manao fanaraha-maso izany ary tokony omena sazy enjana ireo mpandika lalàna” hoy i Andry, mpampianatra.
Misy ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana eto amintsika, saingy vitsy ihany no manaraka sy manaja izany. Antony mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ny tsy fanarahan-dalàna. Tomponandraikitra ny tsirairay amin’ny tokony hanarahana ny lalàna, ary mendrika sazy enjana ireo tratra mandika izany, hisorahana ny fahavoazana amin’ny hafa.
