Alasora: Tontosa ny hetsika fitadiavam-bola natao tao Grande Motte
Nanatanteraka hetsika fitadiavam-bola, ireo mpiara-miombon’antoka avy amin’ny kaominina Alasora sy ny kaominina La Grande Motte ao Frantsa. Izany dia natao entina hamatsiana ny fampisakafoanana an-tsekoly (cantine scolaire) ho an’ny EPP Ambodivondava, ao Alasora.
“Vola mitentina 70 000 000 Ar isan-taona no ilaina amin’ny famatsiana ny cantine scolaire ao amin’ny EPP Ambodivondava, ary ny Alatsinainy ka hatramin’ny Zoma no misakafo atoandro any an-tsekoly ireo mpianatra” hoy ny avy amin’ny kaominina Alasora.
“efa hatramin’ny volana feboary 2010 no nisian’ny cantine scolaire, ary ny volana oktobra 1998 no nisokatra ny sekoly izay ny association zazakely no nanampy ny kaominina sy ny fokonolona tamin’ny fanatanterahana ny asa fanamboarana ny trano sekoly” hoy hatrany ny fanazavana.
Fampisehoana rindran-kira nataon’ny antokom-pihira « Les Ans Chanteurs » avy ao Lattes moa no hetsika natao tamin’izany. Ny Association Zazakely avy ao Alasora Ambodivondava no nikarakara izany.
