Ambohimangakely : Hisy ny varavarana misokatra mahakasika ny zo fananan-tany
Hisy ny varavarana misokatra, mahakasika ny zo fananan-tany, ao amin’ny biraon’ny kaominina Ambohimangakely, rahampitso alakamisy sy zoma 01 desambra izao. Misokatra ho an’ny daholo be izany, izay hanomboka amin’ny 9ora maraina ka hatramin’ny 4ora hariva.
« Natao indrindra ho an’ireo manana olona amin’ny fananan-tany ity hetsika ity. Izany indrindra no hanasana ny rehetra ho avy hanatrika izany, mba ahafahana mahafantatra ireo zo sy ny toro hay momba ny fananan-tany. Hisy ny tantsoroka sy ny torohay amin’ny famahana ny olana ara-fananan-tany ao anatin’izany, ary eo ihany koa ny fanamorana ny fitsirihana ny zo mikasika ny fananan-tany” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
“Mbola olana lehibe eto Madagasikara ny mahasika ny fananan-tany. Eo ny vokatry ny tsy fahalalana, fa eo ihany koa ny tahotra sy ny tery vay manta ataon’ireo tomponandraikitra ambony na mahitahita amin’ny fibodoana tany. Anisan’ny olana miseho amin’izao fotoana ihany koa ny kolikoly ka mahatonga ny olona ho very tany ka tsara entanina isam-pokontany ny olona ho avy amin’ny hetsika tahaka izao” hoy i Henintsoa, mpianatra momba ny lalàna.
Kaominina miisa efatra ao anatin’ny distrika Avaradrano moa no hanatanterahana ity varavarana misokatra ity, dia ny kaominina Alasora, Ambohimangakely, Anjeva gara ary ny kaominina Masindray.
