La Réunion : Nahitana « ibis falcinelle » tao Saint-Louis
Nahitana « ibis falcinelle » (Plegadis falcinellus) tao amin’ny faritra avaratra atsinanan’ny étang du Gol, ao Saint-Louis. Ny SEOR (société d’études ornithologiques de La Réunion) no nanambara ny fahitana io vorona io tao an-toerana ary nohamafisin’ny OFB (office français de la biodiversité) izany.
Manan-tantara kosa ny fahatongavan’io vorona io ao an-toerana raha ny fanazavana. Marihana fa tamin’ny taona 1889 no nahitana io vorona io farany tao amin’ny nosy ary tao Saint-Paul ihany. Manodidina ny 13 hatramin’ny 17 isa kosa izy ireo ary heverina avy niondrana avy aty Madagasikara na avy ao amin’ny nosy Agaléga, ao avaratr’i Maurice izay samy ahitana io vorona io.
Antony roa kosa no mety nahatonga io vorona io tao an-toerana. Ny toetry ny andro ratsy ka nahatonga azy voatery nitoetra na ny fifindran-toerana izay fanaon’ity vorona ity matetika (nomade).
