Ambohimanambola : Nisy ny fandraisana vonjimaika ny toerana fitsinjarana fako
Nisy ny fandraisana vonjimaika ny foto-drafitr’asa mahakasika ny toerana fitsinjarana fako, ao amin’ny vohitra Talakimaso, fokontany Iharamy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Ny alatsinainy 30 oktobra teo, no nidina tao an-toerana ireo tomponandraikitra avy amin’ny servisy Raoka fako sy ny avy amin’ny kaominina nanatanteraka izany.
« Tahaka ireo natao tamin’ny fokontany roa hafa nametrahana ny foto-drafitr’asa momba ny fitantanana ny fako eto amin’ny kaominina, dia efa mijoro ihany koa ankehitriny ny eto amin’ny vohitra Talakimaso. Toerana izay natokana hitsinjarana ny fako tonga izany. Hiroso amin’ny famaranana ny fananganana ny fikambanana ny servisy rano fidiovana fanadiovana, amin’izao fotoana » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Tena ilaina ny rafitra tahaka izao ety an-tanàna. Ny angatahana amin’ny tomponandraikitra dia ny hampiasana izany araka ny tokony ho izy fa tsy am-boalohany fotsiny ihany satria anisan’ny tetik’asa ifotoron’ny fampandrosoana ny fahaiza-mitantana ny fako sy ny fahaiza-mitandraka izany” hoy i Mbolatiana, mpianatra amin’ny ambaratonga ambony.
Tsiahivina moa, fa ankoatra ny eto amin’ny fokontany Iharamy, dia ny fokontany Gara sy Tanjonandriana no nametrahana ity toerana fitsinjarana fako ity ary mampihatra ny fandaminana amin’ny resaka fako, izay hiandraiketan’ny Service Raoka Fako, avy ao amin’ny kaominina hatrany.
Manitra R.
