SocialTatitra

La Réunion : Orinasa 5 no nahazo amboara nandritra ny « Trophée entreprise et territoire »

Orinasa dimy ao La Réunion no nahazo amboara nandritra ny « Trophée entreprise et territoire » tao Moca. Io fifaninana io dia tohanan’ny faritra ary natao hanomezana valisoa ireo TPE-PME (très petites entreprises-petites et moyennes entreprises) ao an-toerana, miasa ho an’ny fampandrosoana ny faritra.

Asongadina ao anatin’io hetsika io ihany koa ny zava-baovao sy ny fomba fiasa miavak’ireo mpandraharaha ao La Réunion. Orinasa efa ho 50 no nandray anjara tamin’ity andiany faha-6 ity saingy 5 tamin’ireo ihany nahazo ny amboara.

Voalohany ny orinasa Olica izany nahazo ny « Prix Spécial de la meilleure plaidoirie », faharoa ny orinasa Arrange Blard izay nahazo ny « Prix Entreprise à l’internationalisation », fahatelo ny orinasa Labopix izay nahazo ny « Prix Entreprise créative et innovante », fahaefatra ny orinasa Saint-Lambert izay nahazo ny « Prix Entreprise environnementale » ary fahadimy ny orinasa Gao Shan Pictures izay nahazo ny « Trophée entreprise et territoire ».

Laisser un commentaire