ActualitésTsidika

Startup Week-end Antananarivo: Ny « Tanàna lovain-jafy » (Vers une ville durable) no lohahevitra amin’ity andiany ity

Ho avy tsy ho ela intsony ny fotoana hanatanterahana ny Startup Weekend Antananarivo (SWAT) andiany manaraka. Hanomboka ny zoma 17, 18 ary 19 novambra izao no hanatanterahana izany ary hiompanana be be kokoa amin’ny fampandrosoana lovain-jafy ny loha-hevitra hikatrohan’ireo mpandray anjara.

“Tahaka ny fanao mahazatra, ao anatin’ny SWAT dia ao anatin’ny iray minitra no omena ireo mpandray anjara, hiresahany sy handreseny lahatra mahakasika ny tetik’asany. Io tetik’asa io izay mitondra fiovana sy enti-mampivoatra ny tontolo. Tahaka ireo tetik’asa rehetra efa nentina tato anatin’ny hetsika izay azo tanterahana soa aman-tsara ary manaraka ny fintanana tetik’asa ary manana vinam-pampandrosoana maharitra ihany koa” hoy i Harinoro, tomponandraikitra mpikarakara ny SWAT.

“Ao anatin’izany indrindra no hanasana ireo tanora manana hevitra na olona efa mpitantana tetik’asa na mpandraharaha, handray anjara satria anisan’ny fotoana iray hametrahana ny fanamby amin’ny tena izy io, ahafantarana hoe hatraiza ny fahavitana zavatra fa indrindra fitrandrahana fahaiza-manao vaovao momba ny fitondrana tetik’asa iray, ahatonga anao ho matihanina sy mpandraharaha” hoy hatrany ny fanazavana.

Tsy mifidy saranga, tsy mifidy sokajin-taona ary tsy mifidy fahaizana na mari-pahaizana ny SWAT fa misokatra ho an’ny daholo be izay manana tetik’asa na hevitra, vina ho an’ny fampandrosoana. Ho an’ireo liana amin’izany moa dia afaka misotra anarana ao amin’ny rohy etsy ambany.

Laisser un commentaire