ConseilTsidika

Anamalaho : Manala tasy amin’ny tarehy

Manamaivana ny hoditra ary manala kentrona sy manala tasy  ny anamalaho atao amin’ny tarehy. Manala ireo tasy navelan’ny mony na panda ihany koa. Tsara raha natoraly foana no ahosotra amin’ny tarehy mba tsy hisy vokany ratsy aty aoriana.

Apangotrahina amin’ny rano 1 litatra ny anamalaho eran’ny tanana, izay efa voadio tsara. Ny raviny miaraka amin’ny tahony no ampiasaina fa tsy tangosana. Avela hangotraka madritra ny 5minitra, ary avy eo avela hangatsiaka. Iny rano iny no atao fanasana tarehy ka tsara kokoa raha ilay vao mifoha maraina iny no hampiasana azy. Atao isan’andro mandrampiala ilay tasy tiana ho afaka.

Tsy azo atao ny mampiasa savony manitra fa savony nosy ihany mandritra ny fampiasana  ny anamalaho .Atao in-5 isankerinandro ny fampiasa azy, ary maharitra iray volana ny fanalana ny tasy ka mila maharitra.

Laisser un commentaire