DépêchesTsidika

Ankadindralavo Ivato:  Voasambotra ireo jiolahy 08 lahy nanao fanafihana mitam-piadiana

30 oktobra; jiolahy miisa 08 no voasambotry ny mpitandro filaminana. Tomponan’andraikitra tamin’ny fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tokantrano iray teny Ankadindralavo Ivato tamin’ny 20 oktobra teo izy ireo. Norobain’izy ireo tamin’izany ny vola mitentina 10 tapitrisa ariary sy ny finday miisa telo rehefa avy nanambana basy ireo mpiambina sy nandratra ireo tompon-trano. Efa eo am-pelatanan’ny manampahefana ny raharaha.

Laisser un commentaire