DépêchesTsidika

Lalam-pirenena: Efa miverina amin’ny laoniny ny RNT12A

30 oktobra; miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana any amin’ny lalam-pirenena RNT12A. Nisokatra ny lalana eo amin’ny teboka halaviran-dalana PK 244+600 ao Antanimena, amin’ny lalam-pirenena RNT12A any Vangaindrano. Naharitra andro vitsivitsy ny asa fanarenana ny ampahan-dalana tapaka vokatry ny oram-be nikija tany an-toerana. Namboarina niaraka tamin’izay koa ny tetezam-by eo Antaratasy, PK 243 rehefa nahitana fahasimbana. Natao ny fanamboarana mba tsy hitaran’ny fahavoazana.

Laisser un commentaire