ActualitésTsidika

Antalaha: Manatanteraka fihetsiketsehana ny mpampianatra

Manatanteraka fihetsiketsehana ny mpampianatra avy ao amin’ny Lycée Horace François Antalaha; nanomboka ny 25 oktobra teo. Tohiny resaka izay mifandraika amin’ny fomba fitantanana ny toeram-pianarana izany.

“Efa tonga ny taratasy manendry ny tale vaovao ao amin’ity Lycée ity. Nanome fotoana hanaovana ny famindran-toerana ny tompon’andraikitra tamin’ny 20 oktobra teo fa tsy tanteraka. tokony natao ny 24 oktobra indray izany fa mbola tsy vita.” Hoy ny solon-tenan’ny mpampianatra.

“Miangavy ny tompon’andraikitra mba hanao ny famindran-toerana ho tombontsoa ny fanabeazana aty amin’ny faritra. Mangataka ny DREN handray ny andraikiny mba hampilamina ny saim-bahoaka fa tsy mety izao savorovoro izao. Mitady fitoniana ny vahoaka manoloana izao toe-javatra izao.”hoy hatrany ny fanazavany.

Manao antso avo ny tompon’andraikitra hamaha ny olana; mahakasika ny fotoana, ny fianarana tsy mandeha moa ireo mpianatra sy ray amandreny ao an-toerana.

Laisser un commentaire