Besarety: Mpivarotra pièce iray voatafika
25 oktobra; Mpivarotra pièce iray tao Besarety Mahavoky no voatafika omaly atoandro. Lasa ny vola iray sakaosy tamin’izany. Efa nisy moto niandry teo ivelany; nanao tifi-danitra tamina bala iray, nanao bala perdu izay nahavoa fiara nijanona teo akaiky teo. Efa lasa lavitra ireo mpanao ratsy vao tonga ny mpitandro filaminana.
