ActualitésTsidika

Vehivavy voafonja miisa 28 tao Antanimora no nahazo fampihofanana

Amin’ny alalan’ny tetikasa Mikolo Aina- Fandaharan’asa Fanarenana; ary vokatry ny fanohanan’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fihofanana arak’asa ary ny ministeran’ny Fitsarana. Nisitraka fiofanana momba ny fanjairana sy fanamboarana “serviette hygiénique lavable” izay niarahana tamin’ny ONG Douleurs Sans Frontières Madagascar ireo vehivavy voavonja miisa 28 tao Antanimora.

“Ity hetsika ity dia tohin’n fifanaram-piaraha-miasa teo amin’ny MEFTP sy ny tetikasa Mikolo Aina-tetikasa fanohanana ny fandaharan’asa Fanarenana, izay vatsian’ny Agence Française de Développement ny volana aogositra lasa teo. Ny tanjona dia ny fanomanana ny fiverenan’ireo vehivavy voafonja eo amin’ny fiaraha-monina.” Hoy ny tompon’andraikitra.

“Fanampiana ireo voafonja, ahafahany manovo fahalalana ary misitraka mari-piofanana. Afaka mamorina asa hahafahany miverina sy mampitombo izay eo am-pelatanany anaty fotoana maharitra.” Hoy hatrany ny fanazavany.

Tonga nanome voninahitra ity hetsika ity tao Antanimora ny 19 oktobra 2023 ny Ramatoa Minisitra Vavitsara Rahantanirina. Aminy maha reny mpiahy ny vehivavy marefo sy ho fanomezana tosika ho an’ireo voavonja mba hihoitra amin’ny fiainana, mba ahafahana mamelon-tena rehefa tafavoaka ny fonja. Nitondra fanomezana ho an’ireo vehivavy voafonja sy ireo mitaiza kely.

Laisser un commentaire