ActualitésTsidika

Atsimondrano: Vehivavy mpivarotra rongony tratehaky ny Polisy

Vehivavy mpivarotra rongony anakiray voasambotry ny Polisy; teny amin’ny kaominina Ankaraobato ny 18 oktobra teo.

“Rongony milanja 2 kg izay efa notsinjaraina tao anaty sachet miisa 200 no hita teny amin’ity vehivavy ity. Rehefa nahazo ny angom-baovao mari-pototra ny Polisy avy ao amin’ny CC Atsimondrano dia niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana azy” hoy ny tompon’andraikitra.

“Mila fongorina mihitsy ireny mpanjinjara sy mpivarotra zava-mahadomelina ireny fa mamotika ny ho avin’ny taranaka. Misaotra ny mpitandro ny filaminana izay manatanteraka ny asany. Enganie ka mba hitohy hatrany ny fampanjakana ny fahamarinana.” Hoy Raivo, renim-pianakaviana.

Raha tsiahivina dia voararan’ny lalàna ny fivarotana sy fanapariahana zava-mahadomelina mahery vaika toy ny rongony. Mitohy ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity

RépondreTransférer

Laisser un commentaire