Ankadinandriana : Hisitraka fampisakafoanana an-tsekoly ny EPP Andraravola
Hisitraka fampiofanana an-tsekoly na cantine scolaire, ny sekoly ambaratonga fototra Andraravola, ao amin’ny kaominina Ankadinandriana. Ny avy amin’ny fikambanana Malagasy Miara-miainga Ankadinandriana no hamatsy izany no an’ny sekoly, araka ny voalaza.
“Ankoatra ny fanatanterahana ireo hetsika ara-pahasalamana natao tamin’ny EPP tety an-toerana dia hisitraka cantine scolaire ihany koa ny EPP Andraravola, mandritra ity taom-pianarana ity. Ho tolorana vary roa kitapo isan-kerinandro izy ireo araka izany” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
“Tena ilain’ny sekoly ny cantine, indrindra ho an’ny kaominina ambanivohitra tahaka izao, tokony ataon’ny tomponandraikitra laharam-pahamehana izany satria maro ireo ankizy no tsy ampy sakafo na mihinana tsizarizary. Rehefa voky ny ankizy ety an-dakilasy dia mifantoka kokoa ka manatsara ny voka-panabeazana” hoy i Julio, mpampianatra.
Tsiahivina moa fa nisy ny hetsika fampianarana sy fanentanana ny ankizy sy ireo ray amandreny tao an-toerana momba ny fikojana ny fahasalaman’ny aty vava, ny faran’ny herinandro teo. Tanjon’ny fikambanana moa ny hanohana sy hitondra fivoarana manomboka eny amin’ny fanabeazana.
Manitra R.
