ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Misy ny fahavakisana fantsona mitondra rano ao amin’ny lalam-pirenena fahatelo

Misy ny fahavakisana fantsona mitondra rano ao amin’ny lalam-pirenena fahatelo, izay mahakasika ny kaominina Ankadikely, amin’izao fotoana izao. Manao antso avo amin’ireo tomponandraikitry ny Jirama ny avy amin’ny kaominina manoloana izany maba hijery akaiky ny zava-misy.

“Misy fahavakisana fantsona mpitondra rano eto amin’ny lalam-pirenena fahatelo, midina eto Andombotany. Koa mampandre sy manaitra ny tomponandraikitra mba hisy ny fepetra ho raisina fa mety hiteraka fahavoazana goavana ho an’ny fotodrafitrasa, no miteraka olana amin’ny famatsian-drano ho an’ny mponina eto Ankadikely sy ny manodidina ary ho fantiantoka ho an’ny orinasa ihany koa” hoy ny avy amin’ny kaominina.

“Maro ny olana sedraina amin’ny fotoana main-tany tahaka izao. Tokony miomana hatrany ny tomponandraikitra satria mijaly ny mponina rehefa tsy misy ny rano. Ny fokontany hafa miaina anaty tsy fisian’ny rano noho ny antony tsy fantatra, ny hafa vokatry ny fahasimban’ny fitaovana. Mila jerena avokoa izany rehetra izany” hoy i Andry, tompona tsenam-barotra.

Marihina moa fa ho an’ny fokontany sasany ao amin’ny kaominina, dia efa naharitra amam-bolana ny tsy fisian’ny rano. Mitaraina ary manao antso avo amin’ireo tomponandraikitra ny mponina, hitondra vahaolana azy ireo mba tsy hisian’ny mety fikorontanana.

Manitra R.

Laisser un commentaire